Mety oe ‘zah no manofy, nefa mety oe mba ho mora ihany
‘zany oe tsy mieritreritra ny momba anao izany eh!…
Natahoatra loatra fotsiny aho andro vitsy taty aorina
Oe aona marina moa izany oe tsy eo ianao
Fa rehefa misesy eny ny fotoana feno fifaliana
Tsy ho lefy ho azy eny ihany ve ny tsiaro anao
Mety oe mapiesona ve nefa ‘zao raha miteny oe sitrana
Oe tsy marary fo intsony satria angamba koa efa vizana
“ka hitomany @zany ary ve” hoy ‘lay olona ray zay
Avalona fotsiny hono iny dia lasa maka pejy vaovao indray …
Ny ahy nefa tena ‘lay boky mihitsy no mila rovitina tanteraka
Satria tsy tiako hoverenana vakiana indray andro any fa mandreraka!!!
Mety oe tonga saina angamba dia niova fijery
Nahatsiaro tena dia niezaky ny mba andeha irery
Aleo tokoa mantsy hono mionona toy izay manantena
Manantena zavatra tsy hisy, miandry olona efa dify…
Dia mahatsiaro eny ihany aloha eh, ny fo moa zaza
Sarotra ny mandainga, na oe mody fanina eny foana aza
Mety oe miaino hira eny indraindray dia mandray phone
Dia manomboka mi-sentimaka dia manoratsora-poana
Mi-composer message feno rediredy sy adalana dia…fafana
Mody tsy miraharaha nefa mi-check inbox ihany eh… tsy tana
Dia mba oe tsy mi-rate occaz analana azy mihitsy hono ‘zany
Nefa indraindray manina dia malaelo ihany na ‘zany na tsy ‘zany
Mety oe soratra fotsiny koa ve ‘zao ataoko ‘zao
Dia postena ato @blog ho vakin’izao tontolo izao
Vao maikya ve ampatsiahy sy tsy ampahita tory
Fa tsy mba anampy ahy tsy ahatsiaro anao akory
Fa tsy maninona fa aleoko manoratra toy izay mitomany
Rehefa tena tiako adinoina ve ianao tsy ho vitako eny ihany ‘zany

Tena mahay akia indry a! Kozy e! Mampisento ahy ilay tononkalo, efa “deja vu”teto @ fianako koa angamba ilay izy e…
ie … VQ koa ahn …
… fa tandremo sao torana ao ary … loolll