Category: Malagasy


Nitonatonana …

(my version of Lolo sy ny Tariny)
Nitady olona vendrana be
azahoana mapirafy azy ianao
Nitady olona degany be
azahoana mampitahy azy ianao
Nitady olona feno fandeferana
azahoana mampijaly azy ianao
Nitady olona mivelatra be
Iaraha-manao adalana ianao

taty, taty, taty ianao nitonatonana
izaho, izaho, izaho namaly moramora oeee
Any alavidavitra any oa mba mitady ah
any angamba misy eh

tsy izaho velively zany kyala zany ah
tsy izaho velyvely zany kyala zany ah
tsy izaho velively no olona hoazonao @zany ah …

nitady olona désepérée,
ka anaiky mora ianao
nitady olona naïve be
ka ho voafitaka mora ianao
nitady olona tia rendrarendra
iarahana mirevy be ianao
nitady olona tsara tarehy
izestiavana @bandy oa ianao

taty, taty, taty ianao nitonatonana
izaho, izaho, izaho namaly moramora oeee
Any alavidavitra any oa mba mitady ah
any angamba misy eh

tsy izaho velively zany kyala zany ah
tsy izaho velyvely zany kyala zany ah
tsy izaho velively no olona hoazonao @zany ah …

lasa hotely ny trano

soa fa mahazo kyaexpresses eh … (hatr@zao aloha fa asa ndray koa atsy ho atsy)

mifoha maraina dia misasa dia mikyaly dia miomana dia miakanjo dia miteny oe “lasa zah ahn” … dia mandray betax dia miasa … dia mirava dia mandray betax ody … dia tonga any an-trano … dia misolo akanjo dia misasa dia mikyaly ariva … dia matory … alatsinainy hatr@ zoma …

lasa hotely sisa ilay trano … (fandriana + sakafo maraina + douche + sakafo hariva) …  zara raha ipetrahana … fa saingy tsy andoavam-bola … tsy ilana famandriana toerana fa miandry anao eo foana ny fandriananao … ary ianao ihany koa no manasa ny lambanao ahn … @alina sisa no ahitanao ny fianakams au complet … :)

hhhmmmm

vita eny ihany …

Mety oe ‘zah no manofy, nefa mety oe mba ho mora ihany
‘zany oe tsy mieritreritra ny momba anao izany eh!…
Natahoatra loatra fotsiny aho andro vitsy taty aorina
Oe aona marina moa izany oe tsy eo ianao
Fa rehefa misesy eny ny fotoana feno fifaliana
Tsy ho lefy ho azy eny ihany ve ny tsiaro anao

Mety oe mapiesona ve nefa ‘zao raha miteny oe sitrana
Oe tsy marary fo intsony satria angamba koa efa vizana
“ka hitomany @zany ary ve” hoy ‘lay olona ray zay
Avalona fotsiny hono iny dia lasa maka pejy vaovao indray …
Ny ahy nefa tena ‘lay boky mihitsy no mila rovitina tanteraka
Satria tsy tiako hoverenana vakiana indray andro any fa mandreraka!!!

Mety oe tonga saina angamba dia niova fijery
Nahatsiaro tena dia niezaky ny mba andeha irery
Aleo tokoa mantsy hono mionona toy izay manantena
Manantena zavatra tsy hisy, miandry olona efa dify…
Dia mahatsiaro eny ihany aloha eh, ny fo moa zaza
Sarotra ny mandainga, na oe mody fanina eny foana aza

Mety oe miaino hira eny indraindray dia mandray phone
Dia manomboka mi-sentimaka dia manoratsora-poana
Mi-composer message feno rediredy sy adalana dia…fafana
Mody tsy miraharaha nefa mi-check inbox ihany eh… tsy tana
Dia mba oe tsy mi-rate occaz analana azy mihitsy hono ‘zany
Nefa indraindray manina dia malaelo ihany na ‘zany na tsy ‘zany

Mety oe soratra fotsiny koa ve ‘zao ataoko ‘zao
Dia postena ato @blog ho vakin’izao tontolo izao
Vao maikya ve ampatsiahy sy tsy ampahita tory
Fa tsy mba anampy ahy tsy ahatsiaro anao akory
Fa tsy maninona fa aleoko manoratra toy izay mitomany
Rehefa tena tiako adinoina ve ianao tsy ho vitako eny ihany ‘zany

Tsy azoko

Ny mpanao nify ihany no ratsy nify,
Ny mpanjaitra ihany no tsy mahay miakanjo
Ny mpampahery ihany no mora kivy
Ny mpampitony ihany no marary fo

Izay olona tia ihany no toa mijaly
Izay olona mpamboly ihany no tsy mikaly
Izay olona tsotra ihany no voafitaka
Izay olona mivondrona ihany no miparitaka

Ireo maditra ihany no be fananatra
Ireo miseho mahalala indrindra no tsy mahafantatra
Ireo manam-pahaizana indray no tsy an’asa
Ireo manao ny marina ihany no voalatsa

Rehefa misy ny mpandamina dia eo foana ny miady
Rehefa misy ny atolotra vao tsy misy ny mitady
Rehefa misy ny mampifila dia misy ‘zany ireo miangavy
Rehefa misy ny miodina dia tsy voahaja izany ireo voady

Dia ‘zay no izy
ilaiko adinoina ianao
tantara sisa azo atao
lesona ho ahy
dia ‘zay no izy
tonina ny fo
tsy hitia intsony
na dia mafy aza izany

tsy afaka an-dohako ianao
ao an’eritreritro ao
na minia mikipy aza aho
dia mahita ny endrikao

dia ‘zay no izy
resaky ny maso
nandrehitra afo
nampitomany
dia ‘zay no izy
ry ‘lay zaza fady
hoafoiko sahady
satria tsy fidiny ho ahy

ouh ouh
moa aho nankahala anao
moa aho nandà ny ho tia anao
ka amalona ny lasa

(the blower’s daughter)

Follow

Get every new post delivered to your Inbox.